Hetsika goavana ary saropady ny JNE noho izy mahakasika ankizy tsy ampy taona entina lavitra tsy miaraka amin'ny ray aman-dreny, noho izany ilaina ny hahafantarana ny ezaka tsara natao sy ny mila hatsaraina hakana lesona mankany amin'ny tsara kokoa hatrany ho an'ny JNE manaraka... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.
Ny zon'ny mpiasa dia toy ny zo hafa rehetra, dia miorina amin'ny toetra maha-olona ny olona aéry amin'ny hasiny mihoatra an'izao hita maso. Ràriny ny hankatoavana ny zo ary araky ny didy aman-dalàna : Zo hahazo tambin-karama ara-drariny, zo hahazo fialan-tsasatra, zo hanana toeram-piasana ary lamin'asa tsy manimba ny fahasalaman'ny mpiasa ary tsy manohintohina ny fahamarinany ara-môraly... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Nihaona nikaton-trano nandritra ny ora roa teny Ambohidahy androany, ireo kandidà 10 amin'ny 13 sy ireo mpikamban'ny HCC. Tsy nisy nipika ny dinika, tsy nety nitatitra ny vokatr'izany tamin'ny mpanao gazety, ireo kandidà... ♦ Hisy fanatsarana ny famokarana fandaharana mandeha eto amin'ny Radio Don Bosco, izay hanampy amin'ny fanofanana tanora amin'ny sehatry ny famoronana na fitadiavana asa. Nisy androany tety Ivato, ny fakan-kevitra amin'izany tetik'asa izany...
Ny safidy dia lalàm-piainana. Safidinao ny hiaina ny fahamarinana sy ny hahatsara ny fiainanao. Safidy ny hahatsara sy izay mba hanana ankohonana. Ny safidy dia mahatonga ny olona iray ho tompon'andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco