Tsy maintsy ilaina ny rano, na ho an'ny fiainan'ny zanak'olombelona na ho enti-manohana ny rohim-piainana voajanahary an-tanety sy anaty rano. Zava-misy : tsy niova ny habetsahan'ny tahirin-drano voajanahary ; ny mitombo ary tafahiatra anefa ny filana rano amin'ny sehatra maro samihafa ; tsy voatsinjara ara-drariny ny tahirin-drano. Ny fahalotoan'ny rano tokony ho azo ampiasaina dia miteraka aretina. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Nahatsiaro fahasambarana i Nofy rehefa nandeha nitsangatsangana niaraka tamin'i Aly. Nifankatia izy roa kely anefa ny renin'i Nofy dia nisakana hatrany ny fiarahany. Nifanome toky ny hifankatia anefa izy roa, eny hatrany ambadiky ny fahafatesana. Ramatoa Valérie, renin'i Nofy sy Jenny dia samy nanomana teti-dratsy handravana ny fiarahan'i Nofy sy Aly. Zanak'olona mpanao pôlitika i Jenny ka maika nandrisika an'i Ramatoa Valérie hanao ny ezaka rehetra hampivady an'i Nosy, zanany sy i Jenny
♦ Notsofin-drano sy noraisina omaly ny andiany Fihavaozana, mpamaky teny sy mpanotrona, ao amin'ny Grand Séminaire Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, Faliarivo Ambanidia... ♦ Nosokafana tao amin'ny Katedraly Fo Madion'i Maria, ny faha-25 taona niorenan'ny Diôsezin'Ambositra... ♦ Tanteraka ao amin'ny fitiva-namana ny fitiavana an'Andriamanitra, io no fampianarana netin'ny Ray masina, François omaly, nandritra ny vavaka Angélus...
Ny Eglizy dia manana adidy amin'ny fanabeazana ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Napoléon Bonaparte no nanorina sy namorina "code civil" ny taona 1804, ary saika izy avokoa no fototry ny lalàna sy ny rafitra misy ankehitriny. Isany soa napetrany tamin'izany ny famoronana ny sekoly, sy ny rafitra fitantanam-bolam-panjakana, ny fametrahana ny antenimieran-doholona sy ny rafitra fiarovana ny olona sy ny fananany.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco