Ny fanadihadiana azahoana mamoaka antotanisa "STATISTIQUE" dia efa nampiasaina nanatsarana ny fiainan'ny mponina. Mba hampitombina tsara ny fanadihadiana dia valin-teny marina no angatahina amin'ireo tokan-trano na olona hadihadiana, omena antoka izy ireo fa tsiambaratelo ny loharano nahazoana ny valin-teny. Asan'ny INSTAT mahaleontena ny fanadihadiana. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Manan-danja ny Fiangonana satria ao anatiny no amolavolana ny mpivavaka. Fiombonan'ny Kristiana mifankatia ao anatin'ny finoana sy fanantenana ny Fiangonana. Mampiombona Andriamanitra ; misterin'ny fiombonana ny Fiangonana ary avy amin'Andriamanitra izany, tamin'ny alalan'ny Pakan'i Jesoa Kristy, mampihavana. Izy Jesoa no mpampiombona... Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
♦ Nisokatra androany eny anivon'ny OVEC isan-distrika ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an'ireo ho kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina. Tsy mbola nisy kandidà nametraka firotsahan-ko fidiana ho an'ny OVEC sasany... ♦ Tsy nilaza mazava ny maha kandidà azy na tsia ny PDS Antananarivo, raha nanontanian'ny mpanao gazety... ♦ Hihaona amin'i Tonizia anatin'ny fifanintsanana CAN 2025 anio alina, ny Barean'i Madagasikara. Any amin'ny Tonizianina ny tsindry, ka azo eritreretina tsara ny handresen'ny Barea, hoy i Franck Rajaonarisamba...
Ny safidy atao manoloana tranga isan-karazany dia miteraka vokatra tsara na ratsy ; tsy misy olona hafa tokony ho tompon'andraikitra amin'ny safidinao. Ny safidy dia avy amin'Andriamanitra, indrindra ny fomba fifandraisana eo amin'ny olona roa. Raha tambazana vola na zavatra hafa ny safidy dia midika izany fa fanerena ankolaka, fikatsahana tombontsoa manokana fa tsy tombontsoa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco