Ny "Rasavôlana" dia lahabolana fanaon'ny faritra afovoany atsinanana sy ny atsinanan'ny nosy, izany hoe mampiavaka an'ireo Sihanaka, Bezanozano, Betsimisaraka. Ny voambolana "Rasavôlana" dia avy amin'ny teny roa "Rasa" + "Vôlana", izay midika ho fizarana fitenenana. Resaka hifanaovana, hifamalin-dresaka, fampahafantarana izay natao na izay vao hatao no antony hanaovana ny "Rasavôlana", fanao amin'ny fanolorana zavatra, fitsofan-drano, fandraisana vahiny, fanatanterahana fomba. Ny "Rasavôlana" dia matetika lehilahy no tena manao azy...
Izay mivavaka dia tsy mandao an'izao tontolo izao. Raha tsy manangona ny fifaliana sy ny fanaintainana ny vavaka, ny fanantenana sy ny ahiahin’ny zanak’olombelona, dia lasa hetsika sy haingo izany, teatra, fampisongadinana ny tena fotsiny. Isika rehetra dia mila ny mihay ny atin'ny fontsika: mitady toerana, manokana fotoana ho an'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra; tsy midika hoe mandositra ny zava-misy izany. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Mianatra eny amin'ny Oniversite i Felana, manana aretina mitaiza azy ny reniny, sahirana ny fianakaviana anefa manao ezaka amin'ny fampianarana mba hampivoarana ny fiainan'ny fianakaviana. Fianakaviana iray no misy an'i Tony sy Lova, isan'ireo manana ary mahavita miantoka ny sara-pianarana. Mpiara-mianatra i Rojo sy Felana ary i Lova, mahay indrindra sy tia mianatra i Felana. Noraran'i Rojo tsy hifanerasera amin'i Felana i Lova, fantatr'ity farany tamin'ny resaka nifanaovan'izy ireo fa tsy finamanana tsotra no misy amin'i Rojo sy Felana fa fitiavan-tena.
♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco