Ny fisafidianana vady? sahirana ny tanora, maro ireo olona hisafidianana. Ohatra fanta-daza ny ao amin'ny Jenezy 24 : Nanomboka tamin'i Abrahama, rain'i Isaaka, izay nitady vady ho an'ny zanany. Tsy maintsy tanterahina ve io tolo-kevitra aroso ao amin'ny Jenezy 24 io izany hoe ny ray no misafidy izay ho vadin' ny zanany. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
♦ Namindra fahefana tamin'ny Filoha mpisolo toeran'ny Antenimeram-pirenena androany, Ramatoa Christine Razanamahasoa. Tandrovy mafy ny fahamarinana na hihatra aman'aina aza, hoy izy... ♦ Tsy manaiky ny hanaovana ho fitaovana pôlitika ny tontolon'ny fampianarana, ny Sendikàn'ny mpiasa eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Nanao fanambarana teny Ambohijatovo izy ireo androany... ♦ Hahazo mpitantana vaovao ny orinasa JIRAMA amin'ny volana mey izao. Manam-pahaizana avy atsy Rwanda no nambaran'ny Filoham-pirenena fa hitantana ny Jiro sy Rano Malagasy...
Ny fanantenana dia ilaina eo amin'ny fiainana mba hisian'ny fivoarana. Ny fanantenana dia mametraka tanjona mandrakariva, koa manàna àry fanantenana eo amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Misy teboka 8 azo anabeazana ny zanaka mianatra hahay mizaka-tena, sy teboka 3 hatonga azy ho tompon'andraikitra, ireo dia samy mifantoka kokoa amin'ny fanabeazana. Ny mahay dia mahafehy ny fahalalana iray nampianarina ny olona iray ary lasa fahazarany. Ny mizaka tena dia tsy miandry tohana avy amin'ny hafa fa izy tenany no mikaroka hevitra hamahany ny olany sy mampiatra izay nianarany manoloana ny tranga iray. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco