Efa samy olon-dehibe i RAZAKa sy RALALA kanefa dia nisaraka ary efa samy manana ny orinasany avy. Razaka 54 taona, Ralala kosa 50 taona ; efa niteraka izy mivady ireo ka Zo no anarany ary efa mahaleontena amin'ny fivelomana ihany koa ity farany sady efa manambady...
♦ Tafiditra tao anatin'ny Taonan'ny Vavaka fiomanana amin'ny fankalazana ny Taon-jobily 2025, ny fankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina omaly, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Manasa ny kristianina hanolo-tena ho an'ny hafa ny Eokaristia, hoy ny Papa François omaly, tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus... ♦ Nihaona tamin'ny Papa François, tamin'ny sabotsy 1 jona 2024, ny Filohan'ny Repoblikan'i Slovaquie, Ramatoa Zuzana Čaputová...
Alahady fankalazàna ny sakramenta Masina sorom-pihavanana sy sakafo mampiray ny Eokaristia ; Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo: izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay. Ao amin'ny vatantsika olombelona dia andraikitra lehibe ny asan'ny ra : hery, aina, sakafo, fiadiana hanoherana ny aretina ; sitraki Kristy no nanolorany ny rany nalatsany teo amin'ny hazo fijaliana mba ho loharano hanovozantsika ny fiainana mandrakizay. Hoy Izy : raha tsy mihinana ny nofoko sy misotro ny rako ianareo dia tsy mba hanana ny fiainana ao aminareo. Ny manao Kaominio dia mandray ra vaovao ao amin'ny fiainana, ra an'ilay nitsanga-ko velona, ra mpanasitrana, mpanadio...
2 jona 2024 — Ny Vatana aman-dRa Masin'i Kristy — Fankalazana manetriketrika — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo: izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 14, 12-16. 22-26)
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco