♦ Nampahafantarina sy niadian-kevitra androany, teny amin'ny Carlton Anosy, ny tetikasa PEI, teti-pivoarana hamatsiana angovo eto Madagasikara... ♦ Tombanana hahatratra 3 hetsy sy 2 tapitrisa Dolara Kanadianina ireo vokatra avy eto Madagasikara izay kasaina hahondrana any Canada... ♦ Niisa 26 ireo tranga fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary avy eto Madagasikara, tato anatin'ny enim-bolana, raha ny tatitry ny AVG...
Ny "ankitonona" dia karazan-dahabolana, lalao an-tsaina atao am-bava izay miendrika fanontaniana ; Ohatra : inona ary izany "akana vao mitombo" valiny "afo". Inona ary izany : tany ambanin'ny olona, olona ambanin'ny bozaka, bozaka ambanin'ny rano, ary ny rano hodidinin'ny tany ? valiny " mpantsaka mampiasa halana miloloha siny tany feno rano. Efa any an-tsain'ny mpanontany ny valin'ny ankamantatra ka rehefa afa-po avokoa ny anontaniana vao milaza ny valiny izy no sady manazavana. Misy fiakon'ny ankamantatra amin'ny karazana lahabolana hafa toy ny fombam-pitenenana sy ohabolana ary hainteny...
Ny feon'Andriamanitra tsy voasakan'iza n'iza fa tsy ren'izay tsy te handre. Antson'Andriamanitra hoy isika : Hoy ny Papa hoe antso manasa an'i Abrahama ho any amin'ny lalana tsy fantany no niantefa tamin'ity Rain'ny Mpino ity, kanefa niainga izy satria nahatoky ilay miantso dia Andriamanitra izany. Nilaozan'i Abrahama ny tanindrazany sy ny fianakaviany satria izay ny mivavaka ; mamela izay momba anao rehetra fa mihevitra izay lazain'Andriamanitra. Katesizy momba ny vavak'i Abrahama, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Manana aretim-po i Ialy, ary efa notoroin'ny mpitsabo hevitra izy mba hampifaly tena matetika fa tsy hitoetra anaty alahelo ; manampy azy amin'ny olana samihafa ny reniny. Sahiran-kevitra amin'ny fanampiana an'i Ialy ihany koa ny mpiara-miasa aminy dia i Mendrika. Nifanena tamin'i Rivo, indray hariva, i Ialy ; noho ny andro hariva dia naterin'io tovolahy io hatrany an-trano i Ialy, teo no niantombohan'ny fifankatiavan'izy roa...
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco