♦ Efa tonga any Roma ireo Evekan'i Madagasikara hanatanteraka ny Visite ad limina amin'ny herinandro ho avy io... ♦ Nosokafana tamin'ny Eokaristia Masina, fiantsoana ny Fanahy Masina ny alakamisy 20 ôktôbra 2022, ny taom-piofanana ho an'ny Seminera Zokiny Paul VI ao Antsiranana... ♦ Ilaina ny fandanjalanjana ny tantaram-piainana, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 19 ôktôbra 2022...
Nitondra fampivoarana amin'ny seha-pamokarana eny ambanivohitra ny nananganana ireo ivon-toeram-piofanana mivondrona ao amin'ny FECAMA (Fédération des Collèges Agricoles de Madagascar). Miisa dimy ireo kolejy mivondrona ao aminy, miparitaka any amin'ny faritra dimy ary samy eo ambany fiahian'ny vovonam-pikambanana FIFATA avokoa.
Tsy fahatomombanana eo amin'ny tarazo no maha varira, ary manaranaka. Olombelona toy ny olombelona rehetra ihany anefa izy ireny, fa manana faharefoana ara-pahasalamana manokana ary tsy manana hery miafina tokony hamonoana azy ireo, fa fiarovana azo no ilainy.
21 ôktôbra — Misy Céline roa no tsaroana ny 21 ôktôbra. Teo i Masimbavy Céline de Laon, renin'i Masindahy Rémi. Ary eo koa i Masimbavy Céline de Meaux, virjiny.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco