09 desambra — Teraka ny 30 nôvambra 1565 tao Mirecourt i Pierre Fourier. Kristianina ny fianakaviany. Zaza voalohany amin'ny telo mirahalahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Narahan'i Pierre an-tsakany sy an-davany ny fampianarana nomena azy, dia ny fitiavam-bavaka, ny fanekena am-pitiavana, ny halemem-panahy ary ny fandosirana ny lainga.
Afaka mianatra ny fanetre-tena amin'i Masina Maria ihany koa ny mpianakavy. Nasehony nandritra ny fampakaram-bady tao Kanà, fa ny fikatsahana soa ho an'ny hafa, fa tsy ho an'ny tena fotsiny no atao hoe fanetre-tena. Afaka mianatra fanetre-tena amin'ny alalan'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ihany koa isika : fanomezana toerana bebekokoa ny hafa eo amin'ny fiainana. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
♦ Tsy raikitra ilay fitsipaham-pitokisana saika hataon'ireo Solombavam-bahoaka ny Governemanta Ntsay Christian. Misy tsindry avy any ambony ny tsy nahatanteraka izany, hoy ny Depiote Voninahitsy Jean Eugène... ♦ Hampitomboina avo 5 heny ny simenitra vokarina any Ibity Antsirabe. Nampanantena ny Filoham-pirenena fa hidina 50% ny vidin'ny simenitra eto amintsika, afaka 3 taona... ♦ Misy mpitsara ambony sy mpitsabo mibodo tanin'olona 2 hekitara etsy Ampanataovana Ambohidratrimo. Nananganan'izy ireo trano sy nofefeny ny tany, na tsy nahazoana alalana tamin'ny Kaominia aza...
Ilaina ny fahaizana mifanampy ao anivon'ny ankohonana ao. Ny fifanampiana dia manamafy sy manatsara ny rivo-piaraha-monina. Ny fahaiza-mihaino sy ny fahaizana mifanampy dia mifameno. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco