♦ Am-perinasa, manohy ny asan'ny Birao teo aloha, ny Birao vaovaon'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora. Tontosa teny amin'ny CNPC Antanimena, ny fampitan-draharaha tamin'ny Birao teo aloha... ♦ Hampihena ny fahasahiranan'ny mpiasam-panjakana mikarakara ny antontantaratasy ilainy ny rindram-baiko vaovao Augure. Natomboka tamin'ny ôfisialy androany tetsy amin'ny CCI Ivato ny fampiasana azy... ♦ Natolotra ireo mendrika tamin'ilay fifaninana matematika nokarakarain'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena ny loka ho azy ireo...
Ny hay famoronana resahana eto dia ilay vokatry ny saina tia karokaroka nataon'ireo mpanoratra namorona anaran-dahabolana ankoatra ireo efa nisy. Ohatra amin'izy ireny : Tôkalo, Vaninkalo, Sôvaramita, Riankalo. Nisy ny olona namorona ireo voalaza ireo araka izao manaraka izao : Tôkalo noforonon'i Radialf, ny Vaninkalo dia Mhef Bloh, ny Sôvaramita dia asa sain'i Ra-Phi ary ny Riankalo dia an'i Ranoë. Ny Tôkalo dia fifamenoana eo amin'ny tôkatôka sy ny tononkalo ka nasiana fiverenana fehezanteny eny antsefatsefaky ny tononkalo ary ny mpanatrika no manonona an'ilay fiverenana isan'andininy. Ny Vaninkalo dia tononkalo mila vaniny amin'ny lafiny maro. Ny Sôvaramita dia sôva mingadona kidaombaramitakidaomità...
Ny mpandimby ny Apôstôly, izany hoe ny Eveka, no eken'Izy Jesoa Kristy ho mpiandry ondry ao amin'ny Egliziny Vatany Masina mandra-pahatapitr'izao tontolo izao. Izany no mahasarotiny ny Eglizy ka hitandremany mafy mikasika ny fomba hifidianana izay ho Eveka hiahy ny ondrin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
Tavela tany amin'ny toerana lavitry ny tanàna i Naina sy Njaka, fa simba ny fiara noentiny, sahabo ho 20km eo ho eo. Nanan-kevitra ny hitady vahaolana hamboarana ny fiara ary koa nizaha sakafo hohanina. Teo ampakàna rano hosotroina tamin'ny renirano iray i Naina no nahita trangan-javatra hafahafa ; hitany taratra tao anaty rano, vehivavy tsara tarehy sy miankanjo lava tsara. Raiki-tahotra izy roalahy nandritra iny fotoana iny.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco