Ny fomba fanehoam-pitiavana eo amin'ny olona roa, eo amin'ny mpifankatia, mpianaka, mpinamana dia mifototra koa amin'ny fifanajàna. Mampiavaka antsika malagasy ny fandrindrana ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fifanajàna, eo koa ny fifandraisana amin'ny zavaboahary. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Araka ny fampianaran'ny fiangonana mahakasika ny fihofanana ho pretra dia samy manana andraikitra ny rehetra amin'ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra. Ny fianakaviana miserasera amin'ny fiainan'ny fiangonana no mamoha ny antso ho pretra. Ny fianankaviana entanin'ny finoana, fanantenana ary ny fitiavana no seminera voalohany hamoazana ny antson'Andriamanitra. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
♦ Ny fandraisana fanapahan-kevitra, araka ny fomba fanao amin'ny sinaody, dia miankina amin'ny fandalinana sy ny fahaiza-mamantatra izay ambaran'ny Fanahy Masina amin'ny Fiangonana manontolo... ♦ Mitaky finiavana sy fahavononana hiova, sy handray fanabeazana ary hanaraka fiofanana mitohy ny fiarahan-dia...
Ilaina ny fanombanana izay vita sy niainana. Tsy tsikeran'izay miiba ihany anefa no atao hoe tombana, noho izany, mitaky toe-tsaina mahitsy sy mila fahaizana ihany koa ny fanaovana tombana mba hitarika ho amin'ny fivoarana.
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco