16 septambra — I Masindahy Corneille dia zanak’i Castinus, fanta-daza tao Roma ny fianakaviana nipoiran’i Corneille. Tao aorian’ny nahafatesan’i papa Fabien ny 20 janoary 250 dia voafidy ho papa i Corneille, dimy ambin’ny folo volana tao aorian’io nahalasanan’ny papa Fabien io. Izany hoe ny taona 251.
Fanabeazana maha-olona no atao fa tsy sanatria fibaikoana biby. Koa raha manao adalana izy dia aoka ho ampahafantarina azy ny hadisoany : ampianaro handinika izy ; atoroy azy ny lala-mahitsy tokony hizorany ; hajao koa anefa ny safidy maha-olona azy satria ao anatin'ny fahafahana no maha hendry ny olombelona fa tsy ao anatin'ny fangejàna. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Ny fahefana anaty dia ilay fanahy endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Raha iainana io fahefana anaty io dia hiova tanteraka ny fiainan'ny tsirairay. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Alarobia 14 septambra 2022 — Ny nanandratana ny Hazofijaliana Masina — Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao — Evanjely Masina nsoratan'i Masindahy Joany 3, 13-17
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco