14 febroary 2024 — Alarobia fanosorana Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)
♦ Nifampitaona teny amin'ny ESCA Antanimena androany, niara-nakalaza ny Andron'ny Sekoly Ambony Katôlika, ireo sekoly ambony miisa valo mivondrona ao amin'ny ESSCATHO, eto Antananarivo sy ny manodidina... ♦ Nanangana vovonana pôlitika hafa indray, izy dimy mirahalahy nandrafitra ny vondron'ny kandidà 11. Nijoro androany ny “Kolektifa an'ny Malagasy”... ♦ Tsy mankasitraka ny hamindrana ny Distrikan'i Marolambo ho ao amin'ny Faritra Mangoro hijoro tsy ho ela, ny Fikambanan'ny terak'i Marolambo...
Ny biby masina sy ny biby manambara ratsy dia mety miova dika sy hevitra araka ny toerana sy ny fotoana : misy ireo fady taloha fa efa fampiasa sy fihinana amin'ny fotoana aty aoriana ; misy ireo fady amin'ny toerana hafa fa tsy fady amin'ny toerana sasany. Ny tandindon'ireo loza mety hiatraika amin'ireo mpanao ny fomba no mamaritra ireo biby hampiasainy. Ny ra dia aina ary izay no antony mahatonga ny maro tsy mihinana ra na biby nalatsa-dra. Ny Gana na kana, ny gisa, ny dokotra sy ny vorontsiloza dia samy biby avy any ivelany no nampidirina teo Madagasikara, isan'ny antony tsy dia nampiasa azy ireny tamin'ny riba hatramin'izay...
Ny katy dia miparitaka eto Madagasikara ary isan'ireo zava-mahadomelina fitsako. Misy karazany maro ny zava-mahadomelina, raha tsy hitanisa afa-tsy "cocaïne, cannabis, extasi, héroïne, rôrô... Ny katy dia zava-maniry misy "cathinone" izay miasa ho toy ny fanairana ny vatana ka miteraka fihentanana na fahamalinana ho an'izay mandray azy, mampisy hery sy tanjaka ary tsy mampatory... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny. Teraka ny 23 novambra 1974 tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco