♦ Nanoratra taratasy ho an'ny Evekan'ny Nosy Maurice sy La Réunion ny Evekan'i Morondava, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina. Taratasy mankahery azy ireo sy maneho fiombonana noho ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Belal... ♦ Mahaleo tena amin'ny fandraisana andraikitra sy fanapahan-kevitra manomboka izao ny Zandarimariam-pirenena. Hiova ny paikady hiatrehana ny tsy fandriam-pahalemana, hoy ny Minisitra delege, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andry...
Ny isa 1 hatramin'ny isa 10 dia hita taratra sy manamarika anaran-tanàna maro : Ampanotokana, Ambohidroa, Antelomita, Ankadiefajoro... Ny isa 6 dia tsy ananana anaran-tanàna mifandraika aminy fa kosa nentina nanondrona faritra na tany lehibe : Imerina enin-toko, Faritany enina mandrafitra an'i Madagasikara. ny isa 3-5--6-8 dia manambara fahafenoana sy fanambinana, torak'izany koa ny isa 12, izay
Ny zokiolona dia akaiky kokoa ny ankizy ary tena namany ; ny tanora anefa tsy mahari-pery ka mahatonga ny tsy fifankahazoana. Maro ireo hevitra tsy mampilamina ny fifandraisan'ny tanora sy ny zokiolona, heverina ho manakana ny fahalalana azy io tranga io. Olana tena miseho ny toetra amam-pihetsiky ny tanora. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
Mpinamana efa hatramin'ny ela i Mahandry sy Ethan. Niverina teo an-tanindrazana i Ethan rehefa nahavita fianarana ho psychiatre ka niara-nipetraka izy roalahy. I Mahandry tia an'i Raitra, i Ethan latsam-pitiavana tamin'ny Joy. Tsy fantatra anefa ho tanteraka ihany ve ny fitiavan'izy ireo avy. Marary saina mantsy i Raitra, ary miankina amin'ny tsy fahasalamany koa ny fitiavan'i Ethan sy Joy.
♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco