Lalana tsy maintsy diavina ny fahafatesan'ny olona akaiky ary miaina dingana ara-psykôlôjika ny olona iray rehefa misaona. Azo diavina tsara ny fisaonana ary misy 7 ny dingana mety ho lalovana ao anatin'izany. Betsaka ireo fiovana mety hiseho eo amin'ny fomba fisainana sy ny fitondran-tena ary maty ho marobe ihany koa ireo fihetsem-po izay hifamaofao mandritry ny fandalovana amin'ireo dingana ireo. Noho izany, mitaky fahaizana miatrika mahomby ny fiainana ireo dingana ireo ary miankina amin'ny fomba fiatrehana azy no hahatafavoaka na tsia ao amin'ilay fisaonana. Na mafy aza ny fisarahana an-tany dia betsaka ireo azo hatao mba hanana filaminana sy fitoniana anaty, aorian'ny fahafatesan'ny olona akaiky...
Ny zava-misy dia hadinontsika olombelona fa manana ny hasina maha izy azy ireny zava-boahary ireny satria zava-miaina. Porofo : lasa manjakazaka amin'ny zava-boahary isika olombelona dia eo ny fandripahana ny biby, ny ala ary ny fandotoana ny tontolo iainana. Vokany : maro ny karazan-java-maniry manjavona isan-taona, ary mety tsy ho fantantsika intsony. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Mpifankatia tia manao fizahan-tany i Setra sy Salohy ary tanjona manaraka ny ho an'ny Manambato, izay toerana mahasondriana anefa tsy lavitra an'Antananarivo. Mpinamana tsy mifankafoy i Onja sy Setra ary isan'ireo mpankafy fiainana sy rendrarendra. Tsy mitsahatra mifandoka ary mifampitory fitia i Setra sy Salohy, milaza samy tia ; na efa manambady aza i Setra dia tsy nahasakana an'i Salohy hitia azy io zava-misy io.
♦ Misy Sorona Masina amin'izao alina izao eny amin'ny EKAR Manjakaray, ho fandraisana ny vatana mangatsiakan'i Mgr Antoine Sopelliti... ♦ Sesilany ny fanambaran'ireo mpiaro ny zon'olombelona, ny ray aman-dreny ara-drazana, izay manao antso avo hisian'ny fifampidinihina manoloana ny toe-draharaha pôlitika ankehitriny... ♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny Masoivohon'i Lafrantsa teny Ambatomena androany, ny andiana parlematera, nahitana Solombavam-bahoaka sy Loholona. Taratasy hanairan'izy ireo ny parlemantera frantsay, momba ny raharaham-pirenena eto Madagasikara...
♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco