Tena misy fiantraikany amin'ny manodidina azy ny fifandraisan'ny mpivady, na akaiky izany na lavitra. Mbola antontan'isa vokatry ny fandinihana ny fiaraha-monina ihany no nahitana fa ny mpivady iray manana fifandraisana tsara eo amin-dry zareo dia mahatarika mpivady 12 hafa hanana fifandraisana tsara ihany koa. Betsaka ny soatoavina avy amin'ny fampianaran'ny Eglizy, ary azo entina miaina tsara. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Herisetra no azo andikàna ny fampiasana ny ankizy. Io fanararaotana io dia fanosihosena lozan-tany ny hasina maha-olona ananan'ny tsirairay " na kely sy bitika toy inona aza izy, ary na maivana toy inona aza ny fahitana azy, eo anatrehan'izay heverina fa mety ilàna azy". Fanandevozana sy fanararaotana ny ankizy ny famporisihana azy hampidi-bola nefa tokony mbola ho andraikitr'ireo ray aman-dreny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Notsipahan'ny HCC ny filazana fa nisy fanonganam-panjakana momba ny famindrany ny fahefana nankany amin'ny Governemanta. Nanazava ny momba izany ireo mpikamban'ity Andrim-panjakana ity... ♦ Namoaka fanambarana ny Andrimaso FFKM androany. Tsy mety, hoy izy ireo, raha ny rafi-pitsarana no mandika na mampihatra araka izay tiany ny lalàna, tamin'ny nanomezan'ny HCC fahefana ny Governemanta... ♦ Voatohintohina indray ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany. Noavakavahana ireo mpanao gazety afaka mandrakotra ny vaovao momba ny OMC-National...
Anatin'ny vanim-potoana ialohan'ny fifidianana isika izao. Ny safidy no hahafahana mandray andraikitra eo amin'ny lafim-piainana rehetra, koa mahaiza mifidy dia hahazo sy hahita fahafaham-po ianao. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco