Maro ny tanora tsy mahafantatra ny ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo atao hoe : IST kanefa mitombo be ireo fahazoana ny otrik'aretina mahatonga azy ankehitriny. Aleo misoroka toy izay mitsabo anefa satria maro be ny voka-dratsiny ara-pahasalamana sy ara-pitondrantena sy ara-panahy... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.
Eo anatrehan'ireo zava-baovao "res novae" tsy mifanentana eo amin'ny tontolon'ny asa, ny fampianaran'ny Eglizy momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy dia manafatra ny mba hisorohana ny hadisoan-kevitra fa ireo fiovana ireO dia lahatra tsy azo ihodivirana. Manazava ny sain'ny besinimaro ny Eglizy fa tokony loha-laharana ny lafin'ny asa maha tompon'antoka ny olona satria ny asan'olombelona dia antso. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny safidy amin'ny maha kristiana antsika dia tokony hisafidy ny hisian'ny fahamarinana eo amin'ny sehatry ny fifandraisana rehetra. Ireo sehatry ny fifandraisana tokony hisian'ny fahamarinana dia : ny tokantrano, ny firaha-monina ary ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Mihezaka hatrany isika hanana hazon-damosina hijoro sy haneho amim-pahatoniana. Mialohan'ny fampitàna ny hafatra sy ny lesona ho an'ireo Beazina dia tokony haneho amim-pitoniana izay tiana hampitaina ny mpanabe. Ny olona tsirairay avy dia samy manana ny mampiavaka azy ary arena ireny, ka isan'ny mandrisika ny olona ho sahy haneho ny maha izy azy amim-pitoniana ireny. Fandaharana "ampela miary".
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco