Ny 2/3 amin'ny firenena eto ambonin'ny tany dia mamela malalaka ny atao hoe fanalan-jaza, tamin'ny taona 2014 dia nahatratra 57.000.000 ny fanalan-jaza tamin'io taona iray io. Ny antony mahatonga ny fanalan-jaza dia ny fahantrana, ny firosoana amin'ny firaisana ara-nofo aloha loatra, vohoka tsy nirina ; fitondran-tena tsy mifanaraka amin'ny tenin'Andriamanitra ny vohoka tsy nirina vokatry ny firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambiana. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
Noroahan'ny tompon'ny orinasa niasany i Radezy sy i Tolotra satria noho ny tsy fahafahan'ireo mpampiasa manohy ny fitantanana. Sahiran-kevitra i Rasendra sy Radezy vadiny ny amin'ny asa tokony hatao indray mba ho fidiram-bola. Nahita asa i Tolotra ka mpiandry tanàna no andraikitra amin'izany, ary nandeha nihaona tamin'ilay olona mpampiasa izy ireo. Trano vao nahorina no misy eo amin'ilay toerana iasan'izy mianaka, ka fitaovana sy ankora hanohizana ny fananganana trano no andrasana ao.
♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo manao martiry ny tenany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahanan'ny Papa maneran-tany, ho an'ity volana marsa ity... ♦ Hankalaza ny faha-10 taona nijoroany ny EKAR Notre-Dame de Lourdes Ambohimasina, ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Mila volena ao anatin'ny tsirairay sy ny manodidina azy ny toe-tsaina hanitatra ny tranoben'Andriamanitra, hoy ny Papa François, tamin'ny vavaka Angélus omaly...
Ny Fankaherezana dia sakramenta manome ny Fanahy Masina sy mahakristiana feno, manisy marika maha miaramilan'i Jesoa Kristy ny fanahintsika, ho pikatroka sy mpirotsaka. Ny Fankaherezana no handraisantsika bebe kokoa ny fahasoavana efa noraisintsika tamin'ny Batemy, indrindra ny fanomezan'ny Fanahy Masina ; ny fomezana fito ny Fanahy Masina : fahendrena, fahazavan-tsaina, fifidianana, faherezana, fahalalana, fitiavam-bavaka, fahatahorana an'Andriamanitra. Manome hery ny Fankaherezana mba afahana mankatoa am-pahibemaso ny finoana an'i Jesoa kristy sy handefitra amin'ny fijaliana rehetra toy izay handa azy Tompo...
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco