Ny fanabeazana feno dia mahakasika ireto telo ireto : vatana, saina ary fanahy. Ireo voambolana telo ireo dia manan-danja amin'ny sehatry ny fanabeazana. Ny fanahy dia fototry ny filôzia malagasy. Ny fanahy ambara amin'izany dia : fototry ny fahafenoana, toetra, ilay tandindona miala sy misaraka amin'ny vatana aorian'ny fahafatesana, ilay fepetra sy sata maha-olona. Ny fanahy dia azo adika ho sary sy tohin'ny saina. Ny teny - fihavanana dia ilaina amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny fiaraha-monina mba ahafahana mandrindra fifandraisana dia eo ny teny verin-droa sy ny fampiasana tambin-teny... Ny hasina dia hery mahefa, mila hajaina, misy fady, fanomezam-boninahitra, hiorenan'ny maha-firenena toy ny teny...
Voajanahary ny fiaraha-monina. Fiaraha-monina ankohonana no naorin’Andriamanitra voalohany. Avy eo nisy ny fiaraha-monina toy ny firenena tahaka an’Israely. Nataon’Andriamanitra fianakaviana iray ny olombelona. Iray donak'afo, miara-miaina, miara-belona. Soa iombonana no tanjona ka ilàna rafitra ara-politika. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Noho ny olana ara-pitadiavana dia fivarotan-tena no asa hameloman'ny reniny an'i Lalaina sy Mendrika. Mifamaly sy miady matetika i Mendrika sy Lalaina noho ny toetran'ity farany manahirana. Nisy fifanoherana tao an-tokantranon'izy ireo ary niteraka tsy fahasalamana teo amin'ny renin'izy ireo izany. Tafaresaka i Lalaina sy Mendrika, ary nifandresy lahatra izy ireo ny hifanampy hitsabo ny reniny. Sahirana izy ireo rehefa tonga teny amin'ny hopitaly noho ny tsy fananany vola hitsaboana.
♦ Feno folo taona katroka androany ny nahateo amin'ny Fiketrahana Masina ny Papa François. Nandefa hafatra firarian-tsoa sy fiarahabana ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Nankalaza ny fetin'i Marie Eugénie, mpanorina ny fikambanana Religieuses de l'Assomption, ny tao amin'ny Diôsezin'i Manajary, ny alahady 12 marsa 2023... ♦ “Omeo raho aho hosotroiko”. Io fangatahana nataon'i Jesoa tamin'ilay Samaritana io, no mampiseho fa mangetaheta ny fitiavan'ny olombelona i Jesoa, nefa ihany koa manasa antsika mba hikolokolo ny hetahetan'ny hafa...
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco