Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mgr Jean de Dieu Raoelison, Arsevekan'Antananarivo.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, amin'ny alalan'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Morondava, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.
Andron'ny Noely ny 25 desambra : Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Tompo ; miantso antsika mba ho iray tampo aminy ny zanak'Andriamanitra ; mamiratra amintsika ilay andro masina koa avia ry firenena rehetra mitsaoka ny Tompo satria nidina androany tety an-tany ilay fahazavana lehibe. Andriamanitra no mpanavotra izany hoe ilay manafaka ny rehetra anatin'ny fahantrana izay hisalotra fahafahana ka ho azo antsoina hoe navotan'ny Tompo, irina, tsy hafoy...
Taratasy ôfisialy mikasika ny fitsofan-drano ny mpivady : Tsy manova ninoninona amin'ny foto-pampianaran'ny Eglizy sy ny finoana nifandovana hatramin'ny ela tamin'ireo Apôstôly io taratasy io ; ary hamafisina hatrany fa tsy misy "mariazy" azo atao ho an'ireo olona mitovy fananahana. Isany fahotanana miandry valiny mivantana avy amin'Andriamanitra : famonoana olona an-tsitrapo, fahotana maloto mifanohitra amin'ny maha voajanahary, fanesoana ny mahantra sy fanimbazimbana. Tsy ny mpanotana no halan'Andriamanitra fa ny fahotana...
♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco