♦ Manentana ny kristianina rehetra himbom-bavaka amin'ny Papa François, amin'ny 25 marsa 2022, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Hitarika ny fotoam-bavaka hanokanana an'i Russie sy i Ukraine amin'ny Fo Madion'i Maria, ao amin'ny EKAR Masindahy François-Xavier Antanimena, amin'ny 25 marsa 2022, i Mgr Paolo Rocco Gualtieri... ♦ Namoaka "Constitution Apostolique" vaovao : "Praedicate Evangelium", ho fanavaozana ny drafitry ny Curie Romaine ny Papa François...
21 marsa — Niaina tamin'ny taonjato faha-12 i Clémence, rehefa maty ny vadiny izay comte tao Spanheim dia nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ary lasa izy niditra tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictines tao Trèves, tao Rhénanie Allemagne, ary tao izy no nodimandry ny 21 marsa 1176.
Alahady 20 marsa 2022 — Alahady fahatelo amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 1-9
Ny raboka "tuberculose" dia aretina azo avy amin'ny otrik'aretina "bacile de Koch" na BK, izay haparitaky ny marary, tsy voatsabo, eny amin'ny rivotra iainana. Ny faritra mety hisehoany dia ny aretina amin'ny endrika maro: ny ao amin'ny tratra, ny anaty avokaoka na ivelany, ny amin'ny hoditra, taolana, ny atodi-tarimo. Fambara : fisian'ny kohoka 2 herinandro, manavy, tsemboka amin'ny alina, malain-komana, mihamahia, rera-dava, marary ny tratra, misy rà ny rehoka. Enim-bola eo ho eo ny faharetan'ny fitsaboana izay maimaimpoana.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco