Alarobia 12 aogositra 2020 — Herinandro faha-19 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 15-20 — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Alahady 09 aogositra 2020 — Alahady faha-19 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 22-33 — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika.
Alarobia 05 aogositra 2020 — Herinandro faha-18 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 21-28 — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.
Alahady 02 aogositra 2020 — Alahady faha-18 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 13-21 — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika ; ary amin'ny alalany dia tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco