Mila fitoniana ny olona ankehitriny, indrindra manoloana izao valan'aretina izao, mila mametraka filaminana sy fandaminana. Miezaka mametraka fifandraisana tsara manomboka eo anivon'ny ankohonana ary miitatra hatramin'ny fiaraha-monina...
Tsy misy intsony ny hafanan’ny fifankatiavana, ny fifampihainoana ary ny fifampizaràna ao an-tokantrano. Vitsy dia vitsy ny tokatrano manam-pinoana ka maneho eto ivelany izany hoe tokatrano kristianina izany. Katesizy momba ny fianakaviana, miaraka amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria
♦ Ny valanjavaboary Bemaraha dia ahitana ireo tsingy. Valanjavaboary tantanan'ny Madagascar National Park's izay mahasarika mpizahan-tany maro. Toerana ahitàna karazam-biby maro toy ny gidro... ♦ Ny Bokiboky dia biby madinika mihinan-kena manta, mampinono. Ny Bokiboky na ny "mungo" dia mirefy 264-294mm ny vatany, 191-209mm ny rambony, 475-626g ny lanjan'ny lahy ary 450-740g ny vavy...
Ny tontolo iainany sy ny manodidina dia misy fiatraikany eo amin' ny fahatokisatena; songadinina manokana amin' izany ary ny haino aman-jery. (21-04-2021)
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco