Alarobia 5 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo no anirahan’Andriamanitra Ahy, sy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 45-52
♦ Mihemotra amin'ny alatsinainy 17 janoary 2022 ny fidiran'ny mpianatra, ho an'ny eto amin'ny Faritra Analamanga. Mihatra amin'ny sekoly miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana izany teny midina navoakan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena izany... ♦ Miakatra ny renirano mamakivaky ny lemak'Antananarivo, anatin'ny loko mavo na ny filazana loza manambana ireo Kaominina andalovan'ny reniranon'i Sisaony...
Mba hampiroborobo ny antso ho pretra dia isan'ny takiana amin'ireo voaantso ireto : Mampianatra ny olona hidera ny Ray, mamangy sy mikarakara ny marary, manampy ny reny misedra fiainana, fanomezana sakafo ny ankizy. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
♦ Nirary soa ho an'ny vahoaka Malagasy noho ny taona vaovao ny Filohan'ny FFKM, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, ny Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona ary ny Kardinaly Tsarahazana Désiré... ♦ Nofoanana ary hahemotra amin'ny andro mahamety azy ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Naneho ny fankasitrahany ny Filohan'ny Repoblika Italianina, Sergio Mattarella, ny Papa François tamin'ny famaranana ny vavaka Angelus ny 1 janoary 2022...
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco