Natoky ny rainy Isaaka, aéry natoky an'i Rebeka koa ; maro no sahirana amin'ny fihainoana ny ray aman-dreny. Raha nanome toro-hevitra anao ny ray aman-dreninao dia tsara ny mihaino azy ireo, tsy izy ireo no hanapa-kevitra fa tari-dalana ny omeny. Zava-dehibe ny miresaka amin'ny ray aman-dreny, tsy rehefa ao anatin'ny fotoana mahasarotra ny safidy ihany fa amin'ny fanapahan-kevitra hafa koa. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
♦ Kandidà efatra no henjehina ara-pitsarana amin'izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Ny roa amin'ireo no naiditra am-ponja vonjimaika... ♦ Niakatra 86% ny tahan'ny fanaovam-bakisiny eto Madagasikara ankehitriny. Tsy misy afa-tsy 35% io taha io, noho ny fielezan'ny tsaho nandritra ny krizin'ny Covid-19, teto amintsika... ♦ Mpitsidika maherin'ny 22.000 no andrasana mandritra ny FEPA andiany faha-16, eny Nanisana. Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany io hetsika momba ny famokarana io...
Ny mitaiza dia fampitana fahalalana ho tonga ho fahaizana ka ahazoana marim-pahaizana ary ahafahana miasa ; ny fanabeazana dia manomana olona ho tompon'andraikitra. Ny olona notezaina dia olona novolavolaina ho tompon-toerana, ary matetika tsy manome lanja ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny voambolana "teny" dia toa ny "aina", porofon'izany ilay fomba fiteny hoe : manapa-teny manapak'aina ; amin'ny maha kristiana ihany koa : ny teny dia tao amin'Andriamanitra ary Andriamanitra dia teny, izay nahariana an'Andriamanitra an'izao tontolo izao. Ny teny dia fitaovana entina mifandray, afahana mifanabe. Ny malagasy dia anatin'ny firenena iray ary ampiraisin'ny teny ; ny teny malagasy dia harena, mitahiry kolontsaina. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny. Teraka ny 23 novambra 1974 tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco