10 jona — I Landry resahana eto dia ilay eveka tao Paris. Talohan’ny nifidianana azy ho evaka dia voalaza fa hoe mpiasam-panjakana tao amin’ny lapan’i Clovis II tany amin’ny taona 640 i Landry. Izany hoe tany amin’ny taonjato fahafito tany.
Ny tena ivon'ny fihainoana dia ny fo. Hita nisongadina ho olon-kendry i Salômôna mpanjaka na dia tanora aza satria nangataka tamin'ny Tompo izy mba "hanana fo mihaino". Manasa antsika hihaino amin'ny fo (corde audire), handray ny Tenin'Andriamanitra tsy amin'ny sofina eto ivelany fa am-panahy ao amin'ny fo i Md Augustine : manàna fo ao amin'ny sofina fa tsy sofina ao amin'ny fo. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
♦ Tombanana ho hatrany amin'ny 13 tapitrisa mahery ny olom-pirenena ho tafiditra ao anatin'ny lisi-pifidianana, ao aorian'ny fanavaozana tanteraka izay atao, nanomboka tamin'ny 11 mey 2022 ary tsy hifarana raha tsy amin'ny 10 jona 2023... ♦ Ho vitaina mialoha ny volana jolay amin'ny taona ho avy ny 80 km amin'ilay lalam-be migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina. Hatomboka amin'ny fomba ôfisialy amin'ny 17 jolay 2022 kosa ny fanamboaraha ny Lalam-pirenena faha-13...
Fotoanan'ny fety isan-karazany izao : ny fetim-pirenena, ny fetin'ny ray, koa aoka iainana ny fifanajana mba hisian'ny fifankativana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco