♦ Natomboka androany tetsy amin'ny CCI Ivato ilay fikaonan-doham-pirenena momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hapetraka ny "Guichet agricole", hanampiana ny tantsaha mba ho afaka hisambo-bola, hoy ny Filoham-pirenena, raha nanokatra izany tamin'ny fomba ôfisialy... ♦ Hita faty androany tokony ho tamin'ny 2 ora maraina, ilay tovovavy 21 taona, nokarohana tany amin'ny Kaominina Sabotsy Anjiro Moramanga. Nanitsy ny fianakaviany fa famonoana no natao taminy fa tsy fakana an-keriny...
Amin'izao fotoana izao dia efa misy ireo tambavy nohatsaraina ary nitondra fahasalamana ho an'ny rehetra na ilay atao hoe "RTA". Raha isika no mamaritra ny fatran'ny tambavy hampiasaintsika fa tsy miainga amin'ny fikarohana eto aloha dia mbola manao dokotera-tena ianao izay. Mba hanamorana ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso ny fahasalamana dia entanina ny renim-pianakaviana mba hanatona ny mpitsabo akaiky azy... Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.
Alarobia 15 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18
♦ Miandry ny fanomezan-toky ny handinihan'ny fitondram-panjakana ny tolo-dalana momba ny fizakan-tenan'ny oniversite miankina amin'ny fanjakana, ny SECES Sampana Antananarivo, vao hiverina hanohy ny asa fampianarana sy ny fikarohana indray... ♦ Lalana mankany amin'ny Disitrikan'Ikongo : tsy mandroso intsony ny asa fipasohana ny lalana, hoy ny Solombavam-bahoaka Razafitsiandraofa Jean Brunel... ♦ Diso ny fiheverana nampitaina hatramin'izay fa fiaviana tokana no niandohan'ny Malagasy, raha ny angom-pikarohana eo am-pelatanan'ny Minsiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera...
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco