Alarobia 13 janoary 2021 — Herinandro voalohany mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 29-39
♦ Nodimandry androany tolakandro teo amn'ny faha-89 taonany i Mompera Mario Prina, avy amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Mitsoaka ny kere any amin'ny faritra misy azy ireo mponina any atsimon'ny nosy... ♦ Tsy raikitra androany ny fitsarana ireo Malagasy telolahy, atsy Afrika Atsimo, nitondra volamena antsokosoko...
Ny tanjona sy ny tarigetra dia samy hafa mihitsy. Ny fiainana dia misy dingana marobe hanatrarana tanjona iray na maromaro. Ny tanjona dia faniriana zavatra tiana ho tratrarina ary mety ho tratra. Ny tarigetra kosa dia filamatra izany hoe faniriana zavatra tsara tiana sy ezahina hiainanana andavanandro. Ny teknika dia fomba entina hanatanterahana ny asa, izay azo ianarana ary azo hiombonana. Ny Paik'ady dia vokatry ny haranintan-tsain'ny tsirairay ary mampisongadina ny maha izy azy...
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco