Ny kanto dia ireo izay miataka amin'ny andavanandro, manintona, mandresy lahatra, maningotra ny fo sy fanahy, mahafinaritra, mateza dinihana. Ny endriky ny kanto dia mety ho rafitra ary mety ho lalana. Ny kanto dia zavatra soa, tsara, mahasondriana. Ny olona mpikanto dia olona miangaly amin'ireto ho lazaina ireo : rafitrano, sary sokitra, hosododo sy mpanao sary, mozika, literatiora, fiangaliana seho an-tsehatra ary ny mpanao sarimihetska,
Fahasoavana avy amin'Andriamanitra ny harena voajanahary. Tsy afaka misaraka fa mifampiankina ny fahaveloman'ny olombelona sy ny voahary hafa. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
♦ Manahaka an'Andriamanitra izay tia fihavanana, hoy i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, tamin'ny 25 marsa 2022... ♦ Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny fiadanana sy ny fandriampahalemana, ho ny Nonce Apostolique, Mgr Paolo Rocco Gualtieri... ♦ Nanolotra "ambulance" ho an'i Ukraine, ny Papa François...
28 marsa — Ny ankamaroan'ny tetiandro dia manonona an'i Masindahy Gontran ho an'ity andro anio ity. Mpanjaka tao Bourgogne izy io, maty tamin'ny taona 592. Zafikelin'i Clovis sy Clotilde izy, ary i Clotaire Voalohany no rainy. Rehefa maty ny rainy dia izy no nandray ny fanjakana tao Bourgogne sy Orléans ary nitoetra tao Chalon-sur-Saône.
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco