♦ Manantitra ny fisaorana sy ny fankasitrahana ho antsika mianakavy ny avy eo anivon'ny Seminera Zandriny Ambohipo, noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miombom-bavaka izay niarahana tamin'ny 26 mey 2024... ♦ Hotontosaina ny alahady 9 jona 2024 ny fankalazana ny Andron'ny Vehivavy Katôlika, izay tokony nankalazaina ny 13 mey 2024... ♦ Hanatanteraka Kôngresy ny 7 hatramin'ny 12 aogositra 2024, ny avy eo anivon'ny Tanora Marialy Vinsansiana...
Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 2 taona. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombotsoa ny mpitarika Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...
Ny fampihenàna ny fampiasàna arona sy fonosana plastika dia laharam-pahamehana ho an'i Madagasikara mba ahafahana miaro kokoa ny karazan-java-mananaina izay tokana sady sarobidy eo aminy. Noho izany dia mila ezaka bebe kokoa hatrany eo amin'ny haitaky amin’ny fampiharana ny lalàna 2017-010 ny 3 jona 2017, ny famporisihina ireo sehatra tsy miankina amin’ny fampiroboroboana ny famokarana vokatra vaovao sady maharitra mahasolo ny arona sy ny fonosana plastika, ary ny fanentanana ireo mpiray tanindrazana hirona bebe kokoa amin’ny fampiasàna ireo vokatra mahasolo ny plastika. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Maro ny sakana mahatonga ny olona tsy ho afaka mivavaka. Misy ohatra ny fahajambana no manahirana azy, kanefa raha ny maso no nanahirana dia misy fomba hafa toy ny fampiasana ny sofina. Samy manana ny sakana tsy hahafahany mivavaka ny tsirairay ; mety ho olona no manakana, mety ho ny fotoana, na asa, na fahazarana sy fiankinan-doha amin'ny zavatra. Tsy mitovy ny hoe "kamo mivavaka" sy ny tsy manam-potoana. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
♦ Tokony tsy hikely aina amin'ny fambolena, ny tantsaha: io no nanentanan'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana ny FTMTK tao amin'ny Diôsezin'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny Zaikabe androany... ♦ Mizotra mankany amin'ny fanarenana mandrakariva ny fiainana ary mila apetraka eo amin'Andriamanitra: io no hafatra ho an'ireo mpianatra tao amin'ny Lycée Saint Antoine, izay namarana ny taom-pianarana... ♦ Navoakan'ny Foibe misahana ny fampahalalam-baovao eo anivon'ny Fiketrahana Masina androany, ny fandaharam-potoanan'ny Papa François, mandritra ny fitsidihana apôstôlika hataony any amin'ny faritra Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco