Natao hanasoa ny vahoaka mba ho afa-miaina tsara ny fanjakàna ; koa "na manahoana na manahoana dia mifanohitra amin'ny maha-olona mihitsy ny hahatonga ny fanjakana ho tsy refesi-mandidy na hanao didiko fe-lehibe ; voahitsakitsaka mafy amin'izany ny zon'ny olona sy ny mpiara-monina". Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
I Soa dia mpanampy ary i Toky dia zafikelin'i Rabary, anatin'ny aretina efa ho taona iray izy. Nampatsiahy an'i Zily ny tokony hanampiana an'i Rabary amin'ny fitsaboana i Soa, satria hitany ho rariny izany noho i Zily nomen'i Rabary tany ho volena. Nanafatra an'i Soa mba handray an-tanana ny fitaizana an'i Toky, ary tany iray vala no natolon'i Rabary azy hiatrehana ny adidy. Maty Rabary taorian'ny hafatra napetrany tamin'i Soa. Nilaza ho nametrahan'i Rabary fitokisana i Zily ary nanamafy mihitsy hoe novidian'ity farany ny tanimboly sy tanimbary...
♦ Nomarihina ny 26 nôvambra 2023 ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Radio Fanasina Morondava... ♦ Notokanana omaly ny EKAR Masindahy Jacques Berthieu ao Toamasina... ♦ Nanasa ny rehetra hitondra am-bavaka ny diany any Dubaï ny Papa François...
Ny Kristiana, ny ankizy, tanora, lehibe dia manana adidy hiaro sy hanompo ny firenena, satria ny asa famokarana sy ny fampitomboana tahirin-karena faobe no hany lalana tokana hampandroso antsika sy ny fanjakan'Andriamanitra. Mila fitoniana ny firenena mba afahana mamokatra sy mifanampy anaty firaisan-kina. Ny tsy fandoavan-ketra sy ny kolikoly, ny fanararaotam-pahefana, ny fitiavan-tena, ny tsy fandriam-pahalemana, ny tsy fisian'ny fandoavana ny fiahiana ara-tsosialy hatramin'ny taona 1975, ny tsy firaharahiana ny soa iombonana sy ny fananana iombonana no fototra manimba ity firenena ity.
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco