Ny fiarahaba "Arahaba tratry ny taona" no nisy talohan'ny "arahaba nahatratra ny taona". Ny Malagasy sy ny tatsinanana dia manana fomba fiheverana ny tontolo "tamberina tsy manampahataperana" ka manana hevitra hoe isika olombelona dia mizotra sy mivelona fa ny taona no miodina mandalo antsika noho izay dia ny "taona" no mahatratra antsika. Ny anarana "famantaran'andro" no nisy talohan'ny "famantaran'ora", izay fitaovana entina hamantarana ny fizotry ny andro. Ampiasaina ny voambolana hoe "MIKASIKA" rehefa voatondro mazava izay voakasika, "MAHAKASIKA" kosa raha zavatra ankapobeny. Sedraina ho voambolana tandrify ny "DRÔNE" ny hoe "SIDISIDINA" noho ny toetrany sy ny fomba fampiasana azy...
Mbola ilàna ezaka mafy ny hananan'ny olona eto amin'ny firenentsika ny fiainana tena mendrika ny maha-olona. Raha tiana ny hananana fivoaram-piainana tena izy dia tsy maintsy hatomboka amin'ny fanabeazana matotra sy feno ary araka ny voalazan'ny Soratra Masina. Rehefa mahazo fanabeazana tsara ny olona dia hivoatra ny asa fivelomany, hanao mihoatra ny vitan'ny ray aman-dreniny. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Bruno dia zanak'olona, azo lazaina fa zanaka tsara taiza. Nanampy ny reneny tamin'ny findrosoana ny sakafo i Bruno nandritra ny fetin'ny faran'ny taona, tsy nitombon-tsaina anefa izy fa nosembanin'ireo namany, hoe handeha hivoaka hamonjy alim-pandihizana. Tsy nanaiky ny handehanan'i Bruno any amin'ilay alim-pandihizana ny reniny fa mampiahiahy ny fahazoan-dalana mikasika io lanonana io. Nandeha antsokosoko ihany i Bruno na efa norarana aza.
Mankahala ny fahotana ny Andriamanitsika fa tia ny mpanota ary maniry ny hibebahany. "Izaho koa tsy manameloka anao, mandehana ka aza manota intsony" jn 8, 11. Ny taona 2024 dia miavaka satria voatokana ho an'ny taonan'ny vavaka ary mampita antsika ho an'ny amin'ny Jaobily lehibe faha-2025 nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra teto an-tany. Ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka no nahatongavany ; ny olona rehetra samy tiany ahazo anjara amin'ny fanavotana nentiny. Ny Eglizy katôlika dia tsy mitso-drano ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana, satria tsy misy ao amin'ny foto-pampianaran'ny Eglizy izany no sady tsy nolazain'ny Papa. Ny famindram-po sy ny tsy fanilihana no mibaiko ny Eglizy hitso-drano ny zanany...
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco