Amin'ny teny hebrio dia "Sefer tehillim" no anarana nomena sy iantsoana ny bokin'ny Salamo. Ny teny hoe "tehillim" dia azo adika tsotra amin'ny teny malagasy hoe "hira fiderana/tononkira fiderana". Tsy tena mahadika ny Salamo ary tsy tena mahafapo nefa io "tehillim" io satria milaza izay mety ho hira fiderana rehetra na ahoana endriny na ahoana ; ny teny hoe "Mizmor" no midika hoe hiram-pivavahana... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Tsihoarana, vehivavy tsotra mandefitra, tsy be teny, niova masiaka tato aoriana, mafy fo amin'ny havana sy ny namana, misokatra amin'ny rehetra, manana fihetse-po lalina. Ratsy fitondrana an'i Tsihoarana ny reniny, teny feno avona no ataon'ny reniny azy miaro vono. Esohin'ny reniny matetika i Tsihoarana satria hoy izy hoe tsy mety manambady fa variana amin'ny fianarana fotsiny ; manao toetra ratsy amin'i Tsihoarana koa ny anadahiny atao hoe Fidy...
♦ Hiara-manandratra vavaka manokana ny Diôsezy tsirairay eto Madagasikara, amin'ny vavaka fangatahana ny hananganana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Ny 1 aogositra no hankalazan'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany ilay “Pardon d'Assise”. Anisan'ny hiaina izany ny ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Na dia kely fitia aza isika, atolory ny Tompo izany. Fanaingana nataon'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Pierre...
Ilàna tombana ny lafiny fanabeazana : fanabeazana ny maha-olona, ara-pitondran-tena... Mahatsapa ny rehetra fa ambany ny haavon'ny fahalalana sy ny fanabeazana, ary miharatsy izany ankehitriny. Tsy voahomana hiatrika fiainana ny tanora nahavita fianarana. Tompon'antoka ny tsirairay mba hampivoarana ny fanabeazana amin'ny lafiny rehetra : miainga amin'ny tenanao, ny fianakaviana, fiaraha-monina... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco