Mpifankatia i Sedera izay miramila sy Miarana, mitondra vohoka. Mamita iraka matetika i Sedera ary nanometoky izy tamin'ny dia farany nalehany fa hiova asa hafa mba hilaminan'ny fiainan'izy roa raha vao tafaverina. Voatifitra tany an'ady i Sedera, nandritra ny fifanandrinana tamin'ny dahalo. Notsindromin'i Hery namany tamin'ny ranom-panafody mahafaty i Sedera mba ahafahan'iry voalohany manambady an'i Miarana. Tsy nampoizin'i Miarana hoe maty ny fofombadiny.
♦ Tontosa ny sabotsy 17 aogositra 2024, ny Andron'ny Diôsezy sy ny fankalazana ny fetin'i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, teo ihany koa ny fankalazana ireo taon-jobily samihafa, ho an'ireo pretra avy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nifarana omaly ny Lasy Ravina andiany faharoa, ho an'ny Antilin'i Madagasikara ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Mamonjy antsika i Jesoa amin'ny alalan'ny famelomany ny fiainantsika amin'ny azy mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianarana nentin'ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Alahady faha-20 mandavantaona — B : Tena fihinana ny nofoko, tena fisotro ny rako ; ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay. Ampy hanafaka anoanana ny rehetra ny mofo masina, araka ny voalaza ao amin'ny Ohabolana : Avia hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko. Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo; ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina”. Tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako hoy Jesoa ; mampisitraka fahasoavana maro ny fihinanana ny Vatan'i Jesoa ny Rany, ary mampandova ny fiainana mandrakizay. Ilàna fahamendrehana ny fandraisana ny Eokaristia, ilàna finoana, ilàna fanetrentena...
18 aogositra 2024 — Alahady Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 51-59)
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco