Ny aty dia taova iray eo ambanin'ny elabakaka, amin'ny ilany havanana amin'ny kibo no misy azy, milanja 1 hatramin'ny 1,5kg ho an'ny olon-dehibe. Ny asan'ny aty : mitahiry ny glucide havadika ho glucose, mamokatra proteine ilaina amin'ny fivainganan'ny ra, manala ny poizina sy ny zavatra tsy ilain'ny vatana, mitahiry ny vitamina A-D-E-K, mamorona ny ranon'afero ilaina amin'ny fandevonan-kanina, manodina ny menaka, mandamina ny tahan'ny tsirim-panentana ao amin'ny olona, mandamina sy manjalanja ny hafanan'ny vatan'ny olona... Rehefa tsy mahavita ireo asany ireo ny aty dia azo sokajiana fa tratry ny faharefon'ny aty. Fambara : reraka, misy olana ny fivainganan'ny ra...
Efa mahazo laka ary mampidi-bola ny tantsaha eto Madagasikara ny fizahan-tany eny ambanivohitra. Mampidi-bola ho an'ny tantsaha ny fizahan-tany ambanivohitra raha haintsika ny mitrandraka izany. Mampiditra 50 Dôlara hatramin'ny 200 Dôlara ho an'ny fianakaviana tantsaha iray iantranoany ny mpizahan-tany iray. 20 taona niantsehatra amin'izay fizahan-tany ambanivohitra izay ny Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy na ny FEKRITAMA...
Vaovao ny taona, vaovao manaraka izany ihany koa ny loha-hevitra hodinihina sy hovelabelarina mandritra ity taona 2024 ity. Fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay anaty fiaraha-monina, izay no loha-hevitra lehibe hitondrana ny fandaharana EVA mandritra ny taona. Nampatsiahivina ny antom-pisian'ny fandaharana EVA sy ny tanjony ary fampahafantarana ireo mpandray anjara hifandimby hanentana ny fandaharana mandritra ny taona. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...
Tsy tahaka ny firenen-kafa i Israely fa ny Tompo no Mpanjakany noho izany dia very hasina izy raha manaraka ny fomba amam-panaon'ny firenen-kafa satria mitsipaka ilay tena mpanjakany. Te hitovy amin'ny firenena hafa rehetra i Israely ka nangataka mpanjaka hafa, tsy nahay nihonona tamin'ny anjara nomen'Andriamanitra izy ireo ka tojo olana hatrany. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco