Vehivavin'ny fiainana tsotra andavanandro i Maria, vehivavy tonga reny, reny nahita ny nahafatesan-janany tsy an-drariny, nahita azy nitsangan-ko velona, ary niandry tamim-paharetana nivavaka — niaraka tamin'ny mpianatra — ny fiavian'ny Fanahiny. Manetsaka fitiavana sy mampisy fotony ny ankobanandro i Maria: toa nijanona ho toy ny teo aloha ihany ny zavatra rehetra, nefa toa niova ho vaovao feno hanitra mamerovero ihany koa. Hasivianandro fiomanana ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro faharoa.
Hoy ny Ntaolo : avadibadiho im-pito aloha ny lela alohan'ny hiteny ; izany hoe manontany tena raha azo antoka ny loharano nahenoana resaka mialohan'ny hitantarana azy amin'ny olona hafa. Amin'ny fehezan-teny tokana dia : tsy maintsy mamakafaka sy manadihady vao miteny. Mila mandinika isika, mitady ny loharano marim-pototra sy mazava fa tsy milaza zavatra manjavozavo na honohono. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
Mifankatia i Nary sy Tiana, kanefa manana ny vady aman-janany iry voalohany. Ramatoa Hary dia mpiasa amin'ny orinasa madinika ary mpiasam-panjakana i Nary vadiny. Nahamahana an'i Hary ny fihetsiky ny vadiny saingy mbola tsy naka fanapaha-kevitra hafa izy. Noresahan'i Hary tamin'ny zanany lahy atao hoe Johary, ny fanahiany sy ny olana amin'ny fitantanana ny tokantrano. Tamin'ny alalan'ny vazivazy no nentin'ny reniny nananarana an'i Johary, indrindra ny fifehezan-tena manoloana ny fotoanan'ny fialana sakana.
♦ Anisan'ny nankalaza ny Andro Maneran-tany ho an'ny Mpanabe androany, ny tao amin'ny sekoly Stella Maris Toamasina... ♦ Nomarihana tamin'ny faran'ny herinandro teo, ny Andro Nasiônaly ho an'ny TAMPIKRI, ka nanatanteraka hetsika manokana ny TAMPIKRI tao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nankalaza ny fetin'ny Olomasina mpiaro azy ny EKAR Notre-Dame de Fatima Ambohipeno, Distrikan'Andranomadio, Diôsezin'i Tsiroanomandidy...
♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco