♦ Heloka manimba sy manohitra ny maha-olona ny ady, hoy ny Papa François, teo am-pamaranana ny vavaka Angélus… ♦ Any Etazonia, hotanterahina ny 18 sy ny 19 janoary ho avy izao ny alim-bavaka nasionaly ho an’ny fiarovana ny aina… ♦ Mila mpitantana ny fiantsoan’Andriamanitra, hoy ny Arsevekan’Antananarivo tamin’ny fankalazana ny fetin’ny Seminera Zandriny teny Ambohipo… ♦ Ny tenin’Andriamanitra sy ny fampianaram-pinoana no torina hoy i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Evekan’ny Diôsezin’Antsirabe, tamin’ireo Diakra 25 vao nohamasinina…
Ny Sakramenta fito dia tandinona na "symbole" na "mysterium" ary famantarana araka ny voalazan'ny katesizy. Ny ao amin'ny Sakramenta dia Andriamanitra ary Izy irery ihany no afaka miasa ao amin'ireo Sakramenta ireo. Ny Sakramenta dia tsy miankina velively amin'ny fahamasinan'ny olona fa miankina amin'Andriamanitra, mifamatotra amin'ny finoan'ny mpanome sy ny mpandray. Natao iainana ny Sakramenta ka na iza na iza nandray an'ireo dia tokony haneho izany eny amin'ny fiaraha-monina, maneho ny maha kristiana. Ny sakramentaly dia famantarana toy ny sary, isan'ireny ihany koa ny Voady, famehezan-tena...
Alahady faharoa tsotra mandavan-taona : samy nantsoin'Andriamanitra tsirairay isika. Ny hafatry ny vakin-teny telo : Miantso antsika ho mpiara-miasa aminy Andriamanitra. Hoy Md Augustin : Andriamanitra ilay nahary antsika, tsy nisy antsika, dia tsy afaka mamonjy antsika raha tsy misy antsika. Izay manaiky an-tsitrapo sy am-pitiavana honina ao amin'ny Tompo dia aheno ny feony miantso azy ary sy ho ampitomboiny ao amin'ny fahasoavany. Isika olombelona rehetra no antsoina ho amin'ny fahamasinana...
14 janoary 2024 — Alahady Tsotra faharoa Mandavantaona — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 35-42)
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco