Ny Fitaizam-pahasalamana amin'ny lafiny rehetra dia sarobidy satria ny fahasalamana no iankinan'ny fiainana manontolo. Ny fahasalamana no voalohan-karena ary ilaina tandrovina tsara. Ny fahasalamana dia tsy hoe "tsy fisian'aretina" fotsiny ihany, fa azo hadika ho fahatomombanana ara-batana, ara-tsaina, ara-pifandraisana sy ara-tsosialy ihany koa...
Nihanalefaka ny fifandraisan'ny fitondrana kolonialy sy ny misionera, teto Madagasikara, nanomboka 11 mars 1913, tamin'ny fitondran'i Albert Picquié. Zary lasa ivon-toerana iaingan'ny fampandrosoana ny fonenan'ireo misionera. Navoitry ny Eveka tamin'ny Kongresy Eokaristika ny 18-28 janoary 1934 ny fitiavan-tanindrazana.
♦ Natomboka ny 5 janoary teo ny dinik'asa fanomanana ny JMJ andiany faha-10, izay hotanterahana any amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Manentana ny mpino rehetra maneran-tany ny Papa François, amin'ity volana janoary ity, hivavaka ho fanoherana ny fanavakavahana sy ny fanenjehana ara-pivavahana... ♦ Nirary soa mba hisian'ny fiadanana ka hamirapirataran'i Kristy eo anivon'ny fianakaviana sy ny ankohonam-piainana ao amin'ny Eglizy Tatsinanana, mankalaza ny Noely andorany, ny Papa François...
Nanatsara ny famokarana Zezika kankana nofotorany nandritra ny taona maro Andriamatoa Ranaivoarisoa Basile, fantatry ny maro amin'ny solon'anarana Papa Bio...
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco