Maro dia maro ny fomba amam-panaon'ny olona isan'ambaratongany hita fa tsy mampiroborobo ny fahasalamana fa vao maika mampitombo ny aretina aza. Mila maka lesona amin'ireny hitondra mankany amin'ny fahasalamana tsara kokoa. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.
I Masindahy Fabien sy i Masindahy Sébastien no tsaroana ny 20 janoary. I Masindahy Sébastien dia teraka tao Narbonne tamin'ny taonjato fahatelo ary anisan'ny niady mafy niaro ny Fiangonana Katôlika Romana. I Fabien kosa dia evekan'i Roma.
Ny fankamasinana ny andro alahady dia tsy miankina amin'ny safidy ho an'ny Kristiana vita Batemy satria didin'Andriamanitra. Ny atao hoe zanaka hendry dia ny fahaizany manatanteraka ny didy sy ny sitrapon'ny ray aman-dreniny. Ilaina ny mifandresy lahatra sy mifanentana mba hanaraka an'Andriamanitra sy ny sitra-pony. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
♦ Tany amin'ny Ditrikan'i Befandriana no nisy ny foiben'ilay rivodoza Cheneso tamin'ny 3 ora tolakandro. Mety ho levona any amin'ny Faritr'i Bongolava izy amin'ny faran'ny herinandro... ♦ Kendrena ny hampakatra 15 hatramin'ny 25% ny anajara birikin'ny indostria eo amin'ny harin-karena faobe na ny PIB national, hatrany amin'ny taona 2028... ♦ Fitaovana isan-karazany, raitra sy maoderina enti-manafaingana ny fampanjakana ny fandriam-pahalemana no natolotry ny Minisiteran'ny Fifandraisan-davitra tamin'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena, androany...
♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco