♦ Miantso fitoniana, manoloana ny zava-misy ankehitriny ny Filohan'ny Antanimieram-pirenena, nandritra ny lahateniny nanokafana tamin'ny fomba ôfisialy ny fivoriana ara-potoana faharoa teny Tsimbazaza... ♦ Nanokatra ny fivoriana teny amin'ny Lapan'Anosikely ny Filoha vaovao, ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Tsy krizy toa ny nisy tamin'ny taona 1991, 2002, 2009 no misy eto Madagasikara ankehitriny, fa ny serasera no mampitombo resaka, hoy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona... ♦ Nifampikasi-tanana androany, ireo mpomba ny kandidà Andry Rajoelina sy ireo mpanara-dia ny vondron'ny kandidà 11, teny Andavamamba...
Ny loko dia misy heviny araka ny toetrany. Ny Malagasy dia efa ela no nahay namokatra loko ary akora toy ny tany sy zava-maniry no nampiasainy. Ny tany ravo na malandy na tany fotsy no hazoana loko "fotsy", eo koa ny zava-maniry nonoka ; ny zava-maniry "aika" no mamoaka ny loko manga ; ny tamotamo no manome ny loko "mavo" ary ny manome loko "mainty" dia zava-maniry toy ny ampongabendanitra, voahirana, tatamo, rotra, zamborizano ary ny tany dia ny fota-mainty ; ny nahazoana ny loko "mena" dia ny zava-maniry nato. Ny loko fotsy no misy heviny ratsy indrindra ary ny loko manga no tsara indrindra. Ny loko mena dia taratry ny tanjaka sy hery, midika ho vola. Misy tantara ny hoe "mena ambanin'ny mena" toy ny tretraka akoholahy...
Voakitikitika ny amin'ny lafiny rehetra amin'io tombontsoa iomboana io, rehefa difotry ny fitiavam-bola ny olombelona. Tadidio fa misy fiantraikany amin'ny olona hafa any an-kafa ny fomba fiainantsika sy izay ataontsika satria mifamatotra ny fiainantsika andavanandro. Ny soa iombonana no fanantenantsika kristiana, fanantenana izay hahasoa ny olombelona. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Tovovavy iray anatin'ny olana i Mendrika, rehefa nahazo antso miafina avy aminà fikambanana mampiely fanahy ratsy, ary Toky no sendra azy, rehefa nitanondrika tao anatin'ny olana lalina iry voalohany. Tsikaritr'i Rina ny fihetsika nataon'i Toky nanoloana an'i Mendrika ary nahatonga hasarota-piaro an'i Rina izany, ary rafitr'ady izy roa vavy. Rehefa nifanazava teo izy telo dia nazava ihany ny anton'ny fihetsika hitan'i Rina, ary nanolo-tena hanampy an'i Mendrika, izy roa.
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco