♦ Hotanterahana any Antsirabe ny 30 aogositra hatramin'ny 4 septambra 2022, ny JMJ Mada-10... ♦ Nankahery ny vahoaka Malagasy ny Papa François tamin'ny fihaonany tamin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Nasiam-panitsiana ny dikan-teny frantsain'ny litorjia fankalazana ny Eokaristia Masina...
Hotanterahina any Antsirabe ny 30 aogositra ka hatramin'ny 4 septambra 2022 ny JMJ Mada andiany faha-10. Lohahevitra hifanentanana amin'izany ny hoe: "Mitsangana fa ataoko vavolombelon'ny zavatra efa hitanao ianao" (Asa 26, 16). Fanasana avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.
Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny vokabarin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ny fampiasàna azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro. Liana amin'ny voly vary.
Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny Finoana ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Na ny finoana kristiana, na ny finoana silamo, na ny finoana mandala ny fomba nentim-paharazana malagasy, na ny finoana hafa dia samy manome lanja ny fiarovana ny tontolo iainana avokoa noho izy ireo iombonan’ny olona maro. Araka izany dia afaka miara-miasa ireo antokom-pinoana maro eto Madagasikara, mitady vaha-olana maharitra sy tsara kokoa entina miaro ny tontolo iainana, mamerina ny tontolo iainana amin’ny laoniny ary entina mampalefaka kokoa ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetr’andro.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco