Tsy misy teraka tonga dia Mpandraharaha-Masina fa ny tontolom-pivoaran'ny fiainana no mahatonga ny olona iray ho amin'izany lalana izany. Ny tontolo mamolavola ny fiantsoan'Andriamanitra dia ny fianankaviana, ny fiaraha-monina, ary ny ankohonam-piangonana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny JMJ Mada X, ny Faritra Vakinankaratra. Androany alakamisy ny no napetraka ny lapihazo sy ny "chapiteau" lehibe handraisana ny hetsika, hoy ny Governora any an-toerana... ♦ Ahiana hiverina indray ny kere any amin'ny faritra atsimo, raha tsy mahazo rotsak'orana ato anatin'ny enim-bolana farafahatarany. Nanazava momba ny ady amin'ny hanoanana any an-toerana, ny Governoran'Androy androany... ♦ Mbola tsy misy fandraisana andraikity Governemanta hatramin'izao, momba ny lalaon'ny nosy hotanterahana eto amintsika...
Alarobia 24 aogositra 2022 — Masindahy Barthélemy, Apôstôly — Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, ianao no Mpanjakan’i Israely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 45-51
♦ Hatsaraina, hampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin'ny alaln'ny tetikasa Prodigi, ny sampan-draharaha misahana ny sora-piankohonana sy ny karapanondrom-pirenena eto amintsika... ♦ Miantso vonjy amin'ny fanjakana mahefa mba hanampy azy ireo, ireo tra-boina vokatry ny firehetan'ny trano tao amin'ny Fokontany Analanjavidy, any amin'ny Distrikan'i Mananjary... ♦ Matin'ny zandary nandritra ny fifandonana tao Andranofasika, Distrikan'Amparafaravola androany maraina, ny jiolahy mitam-piadiana, mpaka an-keriny, miisa fito notarihan-dRakipikipy...
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco