♦ Manentana ny tanora hiara-dia amin'i Masina Maria ny Papa François amin'ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny tanora... ♦ Hosokafana ny 19 novambra 2022 ny taom-pikatrohana ho an'ny Sehatra Fandalinam-pinoana ho an'ny Diôsezy Antananarivo... ♦ Naneho ny fiaraha-mioriny tamin'ny fianakavian'ireo niharam-boina noho ilay asa fampihorohoroana tao Istambul ny Papa François...
Hatao ny faha 26 nôvambra izao indray ny famafazana na ny fafy saraka amin'ity taom-pambolena 2022-2023 ity, eny Itaosy, distrika Antananarivo-Atsimondrano. Fafy saraka na ketsa Saraka teknika fambolem-bary ahazoana vokatra tsara.
Maro ny tranga mamoafady ataon'ny sokajin'olona rehetra. Fanabeazana tsara no vahaolana ahafahan'ny tsirairay mifehy ny fakam-panahy mivoana amin'ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny lafiny ara-pananahana. Fandaharana momba ny fahaiza-miaina sy mitia, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco iarahana amin'ny centre Arrupe Madagasikara.
18 nôvambra — Teraka ny taona 880 tao Maine i Odon. Andriana ny fianakaviany, ary nalefa tany Anjou sy Aquitaine izy mba hianatra momba ny tafiky ny mpitaingin-tsoavaly. Nanohy fianrana tany Paris izy, ka isan'ny nampianatra azy i Rémi, evekan'i Auxerre. Nandalina ny fitsipi-pitenenana sy ny fombam-pivavahana tao Tours ihany koa i Odon.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco