Tontosa ny taom-pikatrohana 2022, tsara ny hanaovana jery todika mikasika ireo asa vita. "Fantarina sy iainana ny soatoavina kristiana" ny foto-kevi-dehibe nampitaina tamin'ity taona 2022 ity ary "Maka lesona mankany amin'ny ho avy tsara kokoa" ny foto-kevi-dehibe amin'ny taona vaovao 2023. Fandaharana "miaina sy mitia" niarahana niasa tamin'ny Centre Arrupe, notontosaina teto amin'ny radio Don Bosco.
30 desambra — Teraka tao Cannes tokony ho tamin'ny taona 1060 i Masindahy Roger. Niaina tao anatin'ny faharavana vokatry ny ady tamin'ny fanoherana izay nataon'ireo barons normands tsy nanaiky ny fahefan'i Robert Guiscard izy.
Mandray anjara amin'ny maha Mpaminany sy Vavolombelon'i Kristy ny lahika ka mahazo fanampiana sy fahasoavana hanambara ny Vaovao Mahafaly eo amin'ny mpianakavy sy ny mpiara-monina. Mandray anjara amin'ny fahamendrehana maha Mpanjaka ihany koa ny lahika. Manjakan'ny zava-boahary ny olombelona. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
Isany mahatsara ny fifandraisan'ny mpianakavy ny fifankaherezana. Ny teny famporisihana dia singa azo kilasiana ho zava-dehibe indrindra eo amin'ny mpivady sy/na ny mpianaka. Ny fifankaherezana sy ny famporisihana dia fanalahidin'ny fahombiazana sy fanatsarana ny fifandrisana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny Jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco