♦ Tontosa androany ny fanadinam-panjakana voalohany teto amintsika. Nizotra tamim-pilaminana, amin'ny ankapobeny, ny fanadinana CEPE... ♦ Nika-dapa teny Anosikely androany, ny mpikambana ao amin'ny Governemanta, notarihan'ny Praiminisitra Ntsay Chrisian, nanao ny tatitry ny asa vitan'ny Governemanta ary nanao ady hevitra momba izany... ♦ Mitaky ny hanaovana ny Distrikan'i Betroka ho faritra iray, ny Solombavam-bahoaka Nicolas Randrianasolo. Mahafeno ny fepetra momba izany izy ireo, araka ny fanazavany...
Ny "saina" dia misy velarana tokony ho hajaina, raha toa ka latsaky noho ny refy voalaza dia "faneva" no fiantsoana azy. Ny refy farany kely indrindra amin'ny sainam-pirenena dia mitovy ny velaran'ny loko tsirairay ka 15 santimetatra ny sakany ary 30 santimetatra ny lava ; noho izany raha mitambatra ny lamba miloko rehetra dia 30 santimetatra ny sakany ary 45 santimetatra ny lavany. Ranaivoson Andrianome no namorona ny firafitry ny sainam-pirnena malagasy. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.
Fitiavan'Andriamanitra sy fanehoany ny tenany sy ny asany ny fahariana ; mitory ny hatsarany tsy misy fetra. Ny fahariana dia famoronana niainga tamin'ny tsy misy, miampy fametrahana lamina ao amin'ireo ; tsy hoe rehefa nisy dia ampy fa nomena ilay lamina : hitomboan'ny taranaka, hifamelona. Miavaka ny fahariana ny olombelona fikasan'Andriamanitra manokana mihitsy, novolavolainy sy nomeny ny fofon'ainy. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Tanora miisa telo dia Lanja, Dera ary Meva no nanan-kevitra ny hanao fanadihadiana sy fikarohana mikasika ny lava-bato iray ao Fandravazana. Maro ny fahitana tsy nampoizin'ireo tanora ary feno fitaintainana izy ireo. I Meva no tena saro-tahotra anefa azo heverina fa manana hakingan-tsaina ihany. Mifankahery hatrany izy ireo mba havitana manohy ny fikarohana mikasika ny zava-miafina ao anatin'ny lava-bato.
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco