Nekena dia ankizy vavy zanak'i Antsa, manana olana io ankizy io satria tsy ampy fitiavan-dray, nisaraka mantsy ny ray aman-dreniny. Mila vaniny foana i Nekena na manao ny ezaka rehetra aza ny renibeny sy Antsa reniny. Malahelo foana i Nekena indrindra rehefa mahita ny fiainan'ireo mpiara-mianatra aminy, manana ray sy reny miara-monina sy miara-manabe. Tsikaritry ny reny fa miaraka amin'ny tovolahy i Nekena ary fototry ny fibedesana ity farany izany, tonga fotoana tokana nahafahan'izy mianaka nifampiresaka...
♦ Manomboka izao dia afaka misafidy ny andro hankalazana ny JMJ isan-Distrika, ny ao amin'ny Diôsezin'i Farafangana: na ny andron'ny Sampankazo, na ny andron'i Kristy Mpanjaka, araka ny fanentanana nataon'ny Evekan'izy ireo... ♦ Nankalaza ny faha-30 taonany ny Oratorio Ivato, omaly alahady... ♦ Nanentana ny rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angélus, mba hikatsaka ny fahanginana, ary hanafaka ny tena amin'ireo zavatra tsy dia ilaina loatra...
Zava-dehibe ny ady amin'ny fialonana sy ny fifankahalana eo amin'ny fiainana andavanandro satria ireo no miteraka ny lonilona maro, izay tsy mendrika ny kristiana. Hoy Mgr Gilbert Ramanantoanina : rehefa manao zavatra dia ataovy amin'ny fitiavana sy amin-kitsipo tokoa. Manoloana izao fiomanana amin'ny fiavian'ny Tompo izao dia aoka isika hiezaka hanadio ny ati-fo : miala amin'ny lainga, fiavonavonana, herisetra... Manana adidy lehibe ny kongresin'ny Eglizy Kristiana maneran-tany mba hanentana ny olona hitodika bebe kokoa amin'Andriamanitra amin'izao vanim-potoanan'ny fiomanana amin'ny fiavian'ny Tompo izao...
Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo : amboary ny lalan'ny Tompo ; ahitsiho ny alehany dia hahita ny famonjen'Andriamanitra ny nofo rehetra. Hoy i Izaia hoe : misava lalana any an'efitra ho an'ny Tompo, manorenana arabe any amin'ny tany lavavolo ho an'Andriamanitra, ao ny lohasaha rehetra hasandratra ; izany dia taratry ny fiomanana amin'ny Fiavian'ny Tompo, fa eto izy dia mihendrika sarin-teny. Ny fotoanan'ny Fiavian'ny Tompo dia hanomezan'Andriamanitra ny olon-drehetra ny fankaherezana...
♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco