Ho tonga olombanona sy tafita eo amin'ny fiainana ary mifikitra amin'ny finoana no fanirian'ny ray aman-dreny ho an'ny zanany. Hany ka rehefa maditra ny zanany dia lazainy fa "tsy mitovy amin'izay zana-bahoaka fa manata-bava". Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
♦ Any amin'ny Diôsezin'i Mananjary indray no hotontosaina ny Andron'ny Lahika, amin'ny taona 2023... ♦ Ezaka ataon'ny Lahika tsirairay avy ny ho tonga fanasina, hanome tsiro mahavelona ny fiainana andavanandro, hoy ny hafatry ny Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka Misahana ny Asa fanirahana ataon'ny Lahika, Mgr Jean de Dieu Raoelison... ♦ Zanaky ny Fiangonana miisa 677 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Vikaria Episkôpaly Afovoany, teny amin'ny kianjan'ny Kôlejy Masina Misely Amparibe...
26 septambra — Teraka tamin’ny taonjato fahatelo tany Arabie tany Cilicie i Côme sy i Damien. Kristianina ny reniny. Voalaza fa kambana izy miralahy ireto. Manana zandry telo mirahalahy ihany koa izy. Nandalina momba ny fitsaboana tany Syrie i Côme sy i Damien.
Alahady 25 septambra 2022 — Alahady Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ho anay, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 19-31
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco