Rehefa tsapan'ny vahoaka tsirairay ao anatin'ny firenena iray fa azy ny fireneny dia miezaka izy manao ny anjara tandrify azy hahatsara azy, hahasoa azy, na dia hamoizany ny ainy aza. Tsy manana fahamendrehana ny olona tsy misy tanindrazana, tsy misy faneva, tsy fantatra avy aiza. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Mila ampitaina sy hanabeazana ny olom-pirenena ny ara-moraly (éthique) sy ny fanajana ny fananana iombonana (biens communs) satria mariky ny fandrosoan'ny maha olona izany. Fitiavana sy hitsim-po no tokony ho entin'ny olom-pirenena mikolokolo ny fitiavan-tanindrazana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Misy vola mivezivezy hikasana hividianana vato amin'ny fifidianana, na "fond vautour", eto Madagasikara, hoy ny Praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo... ♦ Mpiasa hatrany amin'ny 300 isa no atahorahana ho very asa, noho ny fikasan'ny orinasa afaka haba iray, hampiasa milina hanoloana ny asan'izy ireo... ♦ Hisy tetikasa "Jeritany", iarahana amin'ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany na ny SIF. Tetikasa hamoriana ireo mpisehatra, hitadiavana vahaolana momba ny tany lova sy ny fanajariana ny tanim-panjakana...
Ny vehivavy dia manana ny lanjany amin'ny fampandrosoana ny firenena. Manana adidy ny vehivavy manoloana ny tolom-panafahana amin'ny alalan'ny firaisan-kina ho an'ny tanindrazana. Fahaleovan-tena mampisalasala no azon'ny Malagasy, noho izany dia amin'ny endrika hafa no handraisan'ny vehivavy an-tanana ny fanohizana ny tolom-panafahana. Amin'ny alalan'ny asa isan-karazany no hanatontosany izany. Manao ny ezaka rehetra ny vehivavy, maneho firaisan-kina mba ahafahana mampandroso ny tanindrazana ary mba ho lovain-jafy, amin'ny lafiny fihariana, sy ny fanabeazana, fifanampiana amin'ny lehilahy. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco