Mbola mahatazona ny vokatra tsara kalitao, haitao nolovaina avy amin'ireo ray aman-dreny tany aloha, amin'ny asa tanana vita amin'ny landy ny kaoperativa "Landy Avotra" ao Kelifaritra, Kaominina Ambanivohitra Ambohitrabiby, Distrikan'Antananarivo-Avaradrano.
Andao isika hiombom-po, saina, fanahy miaraka amin'ny renim-pianakaviana mijaly noho ny aretina. Ny vehivavy renim-pianakaviana ka valaky ny aretina dia mijaly ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. Mila fanohanana koa ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy izy ireny avy amin'ny ankohonana, ny fianakavina, ny fiaraha-monina indrindra ny mpiasan'ny fahasalamana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Rehefa mitombo ny velaran’ny fiaraha-monina dia mitombo ny adidy sy andraikitra. Maro ihany koa ny olana. Adidin'ny tsirairay no milatsaka ho naman’ny rehetra : manompo ny hafa, indrindra ireo marefo sy voahilika. Ilaina ny rafitra mba tsy hifanitsaka andraikitra : ohatra ao amin'ny ankohonana ; mifanentana amin’ny fahefan’ny ray ny adidiny, toy izany koa ny reny sy ny zanaka. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Mila tsirihana ny lisitry ny mpifidy, nampidirana ireo olona nanaovana kara-panondrom-pirenena faobe, hoy ny Hetsika Rohy. Maro ireo tsy fahatomombanana hitan'izy ireo tamin'ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, tao anatin'ny efa-bolana... ♦ Namoaka fanambarana ny Sedinkan'ny Mpitsara eto Madagasikara, nilaza fa mikoroso fahana ny asam-pitsarana, anatin'izao fotoam-pifidianana izao. Simbaina isan'andro ny fahaleovan-tenan'ny Fitsarana, hoy izy ireo... ♦ Tovolahy iray 28 taona, no tra-tehaky ny Polisim-pirenena, naka an-keriny ankizivavy teny Ambohimanarina...
♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco