Taorian'ny Batemy i Jesoa no nanomboka niseho ampahibemaso ary nanatanteraka ny nanirahan'ny Ray Azy, izany hoe nanomboka nitory ny Vaovao Mahafaly. Ny fihetsik'i Jesoa manaiky ny ataon'i Joany Batemy dia maneho ny fanetren-tena lalina izay toetra anisan'ny hampianarany antsika. Raha tsy ateraka indray amin'ny rano sy ny Fanahy Masina isika dia tsy hiditra amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
♦ Notendren'ny Papa François tamin'ny sabotsy teo, ho Evekan'ny Diôsezin'i Mahajanga i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz... ♦ Ezaka atao ao amin'ny Distrikan'i Brickaville ny hananganana fiangonana vaovao, noho ny fitombon'ny kristianina ao an-toerana... ♦ Nanentana ny kristianina, ny Paroasy, ny Diôsezy ary ny Firohotana sy ny Fikambanana masina rehetra, ny Fivondronamben'ny Eveka ao Italia, tamin'ny 18 nôvambra 2022, hivavaka ho an'ireo ankizy tsy ampy taona niharan'ny herisetra ara-nofo...
Sekoly fanofanana arak’asa no sahaza ny besinimaro, ka aza hadino izany ry mpanabe sy ray aman-dreny isan-tsokajiny. Satria izany ihany no lalana fohy sy tsotra indrindra hivoahana amin’ny tsy fananan’asa sy ny fahantrana lavareny mangeja antsika... Koa na ny CEG na ny Lycée na ny Sekoly Ambony ho an’ny fianarana asa dia samy ilaina avokoa. Sambatra lahy ny ao Bongolava fa efa mba manana ny LTA ao Ambohitsoa, ao Tsiroanomandidy.
Alahady 20 nôvambra 2022 — I Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 23, 35-43
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco